Tsy tokony hisy intsony ny delestazy: mihoatra ny filàna ny herinjiro vokarina eto Antananarivo

Efa mihoatra amin’ny filàna herinaratra ny vokatra ato amin’ny tambajotra iraisan’Anta­nanarivo (RIA) raha oharina amin’ny filàn’ny mpanjifa. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fanapahana herinjiro rehefa misy ny fikojakojana ny fitaovana.

Tratra ny fe-potoana telo herinandro nomen’ny fanjakana, hanafoanana ny delestazy lavareny eto Antananarivo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny tomponandraikitrin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), mahatratra 174,74 MW ny herinaratra vokatra raha 173,96 MW ny filàn’ny mpanjifa, omaly, alatsinainy maraina, 7 aogositra. Izany hoe, efa nihoatra 0,78 MW ny herinaratra vokatra. Nivoa­tra izany, ka niakatra ho 212,92 MW ny vokatra, omaly atoandro 7 aogositra, raha toa ka 211,36 MW ny filàn’ny mpanjifa, nahitana ambiny 1,56 MW.
Nahatonga an’io fiakarana io ny fitomboan’ny herinaratra vokarin’ny toby avy amin’ny tohodrano any Andekaleka. Satria, nandrotsahana orana tsy voajanahary tany an-toerana, ny alahady 6 sy omaly alatsinainy 7 aogositra. Tafakatra 112 MW ny herinaratra avy any Andekaleka, mahatratra ny 70%-n’ny vokatra ilain’ny RIA.
Manampy ireo, ampy tsara ny tahirin-tsolika menaka mavesatra (fuel) ampiasain’ny Jirama, ankehitriny, taorian’ ireny olana teo amin’ny fitaterana teo aloha ireny. Efa mitombo tsikelikely ny isan’ny fiarabe mpitatitra solika, ka tsy tokony hisy atahorana ny tahiry. Misy amin’ireo mpamatsy azy, manana tahiry maherin’ny 465 000 l, ary misy hafa manana maherin’ ny 127 000 l, sns.

Hafa ny fanapahan-jiro ara-teknika

Midika ireo, fa ampy tsara ny herinaratra vokarina ao amin’ ny RIA. Na izany aza, efa mampahatsiahy ny Jirama, fa tsy voatery ho foana tanteraka ny fanapahan-jiro. Tsy maintsy hatao ny fikojakojana. Maro ny fitaovana simba na antitra voatery soloina, toy ny mpanova tanjaka herinaratra (transfor­mateurs), na ny andrin-jiro hazo efa antitra na lo. Samy hafa amin’ny tsy fahampian’ny vokatra na ny solika manodina ny milina, hanaovana delestazy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: