Kitra : vonona handresy an’i Seychelles ny Barea anio

“Manan-danja ny lalao voalohany amin’ny fifanina­nana toa izao. Eo mantsy ny hahitana ny ho herijika. Noho izany, mila fandresena ny Barea”, hoy Rakotondrabe Romual (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar, omaly, nandritra ny fanazarantena farany teny By-Pass. Nambarany fa vonona ireo mpilalao rehetra nantsoina hiatrika ity lalaon’ny Nosy ity. Raha tsiahivina, hidona amin’i Seychelles ny Barea de Ma­dagascar, rahalina manomboka amin’ny 7 ora, eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass.
Nitondran’i Rôrô fanaza­vana, ny fifantenana ireo 23 mirahalahy. Miankina tamin’ny tanjany aloha avy eo ny lalao nataony sy ny zava-bitany. Mikasika ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Dax, nambarany fa tsy ao anatin’ny tanjany izy ary tsy afaka ny hanome vokatra 100%, noho izany voatery najanona. Ny amin’i Angelo, mpilalaon’ny AS Excelsior La Réunion, tsy tonga tamin’ny fampivondronana sy fanomanana mihitsy nefa henony fa efa tonga eto an-tanindrazana fotoana elaela.
I Fabien Boyer indray niantso ny mpanazatra ary nilaza ny fahafahany hilalao ao amin’ny Barea, ka norai­sina an-tanandroa. Ankoatra ireo mpilalao avy eto an-toe­rana, miisa 5 ireo mpila ravinahitra hanatevina ny Barea. Eo i Ando Pro, mpiara-milalao amin’i Boyer. I Theodin, ao amin’ny Ste Suzanne sy i Rojo irakiraky ny St Pauloise ary i El Hadary lohalaharan’ny ST Michel United Seychelles.
Etsy ankilany, nilaza i Sai­dina Bruno, ilay Malagasy mpa­nazatra an’i Seychelles fa vonona ny hanohitra ny Barea, na hilalao eto amin’ny kian­jany aza.

Tompondaka

Partager sur: