Andranonakanga : jiolahy roa indray maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy nampian’ny zandary sy Tafi­ka tao amin’ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano, afakomaly alina, ny jiolahy roa. Jiolahy iray hafa azo sambo-belona. Ny 18 aogositra lasa teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambao. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka fantatra tamin’izany fa avy ao Andranonakan­ga, kaominina Mafaijijo ireto jiolahy nanafika ireto. Nikasa mbola hanao fanafihana ry zalahy tamin’io fotoana io no nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana. Tratra teo am-piomankomanana ny hanafika mihitsy ireo malaso, araka ny tatitra voaray avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany. Nametraka ny paikady rehetra, araka izany, izy ireo ka izao nifanehatra izao afakomaly misasakalina. Raikitra ny fifampitifirana saingy tsy naharesy tosika ireo olon-dratsy ka maty voatifitra ny roa. Ankoatra ny namany iray voasambotra, nisy koa ireo tafaporitsaka na efa voatifitra aza. Mafy ny fifandonana satria tsy nanaiky hilavo lefona ireto jiolahy ireto. Fitaovam-piadiana mahery vaika no fantatra fa nampiasain’izy ireo. Mitohy ny fanarahan-dia ireo tafaporitsaka.

J.C

Partager sur: