Fakana an-keriny: telo lahy voatifitra, avotra ny takalonaina

Rotiky ny bala ny jiolahy mpaka an-keriny telo lahy nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, afakomaly. Tratra ireo mpiray tsikombakomba.

Natao hazalambo, sarona ihany ireo jiolahy mpaka an-keriny sy ny namany tao Antsipangalava, fokontany Morarano, kaominina Ambandrika, distrikan’ Ambatondrazaka afakomaly. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpaka an-keriny nahafaty olona sady naka takalonaina tao Saha­ma­my Amparafaravola. Nana­poaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa nahata­zana ny zandary. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny telo tamin’ireo mpaka an-keriny. Roa hafa nikasa hanohitra azo sambo-belona. Nentina natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary ireo roa lahy. Nahatrarana fitaovam-piadiana, ody ratsy fampiasan’izy ireo teny amin’ireo dahalo. Avotra soa aman-tsara ny renim-pianakaviana iray anisan’ny nohazoniny ireto farany nandritra ny andro maromaro.

Vehivavy efatra sy mpampiantrano…

Noraisim-potsiny ny raim-pianakaviana iray nampiantrano ireo mpaka an-keriny tratra ireo. Manafina ireo mpaka an-keriny nandritra ny fotoana nanaovaon’izy ireo ny asa ra­tsiny ity voasambotra ity. Ankoatr’azy, efa-bavy sakaiza sady mpiray tsikombakomba amin’ireo jiolahy ireo koa nohazonin’ny mpitandro filaminana. Raha tsiahivina, nanafika tokantrano iray tao Sahamamy ireo mpaka an-keriny herinandro vitsy lasa ka nahafaty raim-pianakaviana roa.

Tsiferana R.

Partager sur: