Fandriana : taksiborosy nivadika, olona iray maty

Sesilany ny lozam-pifamoivoina amoizana ain’olona eny amin’ny lalam-pirenena. Taksiborosy iray tra-doza tampoka tao Talata Iary, kaominina ambanivohitr’i Sandra­dahy, distrikan’i Fandriana, omaly. Olona iray maty tsy tra-drano, olona 15 naratra mafy. Taksiborosy avy any Fianarantsoa hihazo an’i Fandriana izy ity kanjo tra-doza tampoka. Nivadibadika tany anaty hantsana. Potipotika tanteraka ity fiara Sprinter namoa-doza ity. Nisy tamin’ireo mpandeha no voalaza fa tafavoaka teny ivelan’ny fiara. Voalaza, araka ny fampitam-baovao, fa olana teknika no nahatonga ny loza ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ary izao namantana tany anaty hantsana izao. Manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Ambositra ny fito amin’ireo maratra raha ao amin’ny CSB1 Talata Iary kosa ny valo.
Tonga nanao fanadihadiana teny an-toerana ny zandary sady nanampy tamin’ny fitondrana ireo olona namonjy hopitaly. Nomarihin’ireo mpandeha fa vao niainga tany Fianarantsoa no efa tsikaritra ho hafahafa ity taksiborosy ity. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany satria ain’olona no entin’ireny mpamily ireny.

J.C

Partager sur: