Andriamanana Nivoarivony :”Tsy fitaovana politika na mitady tombontsoa manokana ny firaisamonina sivily”

Nahabe resaka tato ho ato ny fisian’ny firaisamonina sivily nahazo famatsiana volabe avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, nefa tsy hita mazava izay tena asa vita; misy aza manao politika. Manoloana izany, mijoro ny Fivondronana firaisamonina sivily maromaro miaro ny etika sy ny soatoavina. Fanazavana…

“Araka ny didy hitsivolana 060-133, tamin’ny 3 oktobra 1960 sy ny lalàna 096-030, tamin’ny 14 aogositra 1997, tsy mpanao politika sady tsy mitady tombontsoa manokana ny firaisamonina sivily”, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily maromaro, ny sekretera jeneralin’ny Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony, manoloana ny fisian’ny firaisamonina sivily lasa fitaovana politika na mitady tombontsoa manokana.
Lasa miditra amin’ny tsy tokony hidirany ny firaisamonina sivily, nefa misy lalàna mifehy ny amin’izay tsy fanaovany politika izay. “Koa izahay firaisamonina sivily maromaro izay manana fijery sy vina mitovy ary vonona hiaro izay etika sy soatoavina izay hatramin’ny farany”, hoy izy. Mila mahay manavaka ny andraikiny izy ireo, tsy ny hanao tomban’ezaka rafitra iray eo anivon’ny fitondram-panjakana fa manome tantsoraka sy manao fandravonana raha misy ny disadisa.
Manana ny andraikiny ny firaisamonina sivily
“Ny tomban’ezaky ny asa vita no tokony hataon’ny mpiantsehatra tsirairay, fa tsy tokony hitsabaka amin’ny andraikitry ny hafa”, hoy ihany izy. Izay no nampitovian’izy ireo tadin-do­kanga hiatrehana ny fanabeazana olom-pirenena hiatrika fifidianana. Anisan’izany, ohatra, ny GOSC, ny Manda, ny Fanomezan­tsoa, ny CMVP-Safid, ny Zah Ambohimandray, ny ASD… Eo koa ny fiofanana sy fampiharana ny haitarika ho amin’ny fiovana anaty sy ivelany. Samy hampita sy hampiofana amin’ny fikambanany avy ny tsirairay amin’izany: ho fanabeazana miabo, fanamafisana ny demokrasia, fandraisana andraikitry ny mpifidy… Hisian’ny zotram-pifidianana anaty fitoniana sy voaara-maso.
Vonona hatrany hiara-miasa amin’ireo rafitra sy ireo mpiara-miombon’antoka hahatontosana ny fifidianana izy ireo. Anisan’izany ny Ceni amin’ny fitandroana ny fomba fiasa mangarahara, ireo mpiara-miombon’antoka namaly ny antso amin’ny fanohanana. Manentana an’ireo olom-pirenena tsy ankanavaka, indrindra ireo voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana ho samy ho vonona sy ho saro-piaro hiatrika ny fifidianana ho avy rehetra.

R. Nd.

Partager sur: