“Hatramin’izay nahatany ny tany na tamin’ny zanak’i Adama sy i Eva, misy hatrany ny tsy fitovian-kevitra. Tsy hitovy hevitra izahay, fa samy manana ny fomba fijeriny sy ny fieritreretany izay tokony hatao”. Io ny valin-tenin’ny sekretera nasionalin’ny Arema sady kandidà ho filohan’ny Repoblika, Ratsiraka Annick, teny Mandriamena, afakomaly, momba ny tsy fitovian-kevitra eo anivon’ny antoko ka tsy ankatoavan’ny minisitra Ratsiraka Sophia izay zokiny ny firotsahan-kofidiny.
Olon-dehibe, samy manana ny lalany. Izay no namerenany ny tenin’i Estera ao amin’ny Soratra Masina hoe: ”Ataoko ahoana no hijery ny fahorian’ny fireneko?” Tsy maintsy mandray an-tanana tamin’ny fiantsoan’ny antoko ho sekretera nasionaly izy, ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Naka fotoana nieritreretana izany izy, vonona. “Fantatro loatra ny adidy amin’ny maha filohan’ny Repoblika izany. Roso ny dia ka tsy mipody koa. Tsy maintsy hisy ny fifidianana, fa ny faniriany dia ny safidim-bahoaka no ho tena hita amin’izany”, hoy izy.
R. Nd.