“Cellule de crise” – Seces: “Fifidianana kitoatoa io”

Namatrapatratra ny eo anivon’ny “Cellule de crise”, Seces Antananarivo, tamin’ny fanambaran’izy ireo, omaly. “Fifi­diana­na antematemaka, kitoatoa, feno kajikajy ho fampandaniana ny kandidan’ny mpitondra sy fanilihana ny hafa ary manome vahana ny hosoka sy krizy maro samihafa mivantana na ankolaka no hatao”, hoy izy ireo. Natsikafon’ny Seces Tanà fa hampiasa lalàm-pifidianana goragora miaraka amin’ny rafitra tsy mahaleo tena, mampiahiahy, fehezin’ny mpitondra sady kandidà no mikirakira sy mitantana ny fifidianana isika. Eo koa ny lisi-pifidianana tsy tomombana sy rindrambaiko tsy azo antoka. Ny mpifidy, tsy vonona sy tsy voaomana tsara koa, araka ny fanambarana.
Na izany aza, nitondra vahaolana izy ireo amin’ny alalan’ny tokony hanitsiana ny lalàm-pifidianana. Hatsan­gana ny rafitra manokana “Juri­diction spéciale”, hitsara ny fifidianana. Harafitra miainga amin’ny lisitra ao amin’ny fo­kontany mifanaraka amin’ny teknolojia ny sora-piankohonana. Tsongaina manokana amin’izany ny lisitry ny mpifidy. Mandavan-taona ny fanabeazana sy fanentanana ny olompirenena mpifidy.

Synèse R.

Partager sur: