Manana ny fomba fijeriny mikasika ny tontolon’ny fampianarana ambony amin’izao fotoana izao ireo ankizy vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, raha nanaovana fanadihadiana. Misafidy ny handranto fianarana eny anivon’ny oniversite tsy miankina ny ankamaroan’izy ireo.
“Manimba ny sain’ny ankizy sy ny hoaviny ary ny fotoanan’ ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny fitokonana sy ireo olana samihafa eny amin’ny oniversiten’Ankatso”, hoy i Sahondraniaina, mpianatra afaka bakalorea, Serie A2, tamin’ity taona ity. Nilaza izy fa hahavitana dingana iray lehibe ny taom-pampianarana iray eny an-toerana nefa lasa fotoana very ho an’ny ankizy izany noho ny fisian’ny korontana matetika. Mikasa hanao fifaninana eny Ankatso hatrany izy na dia izany aza, noho ny lanjan’ny diplaoma. Taranja tiany horantovina eny an-toerana ny “gestion et comptabilité”. « Manana orinasa madinika iray aho amin’izao fotoana izao, ka faniriako ny hampiroborobo sy hampandroso izany, antony nisafidianako io taranja io”, hoy izy. Tsy maintsy ilaina ny fahaizana mitantana eo anivon’ny orinasa.
“Aleo misafidy mianatra eny amin’ny oniversite tsy miankina mba hitohy hatramin’ny farany ny fahavitana ny fianarana fa miezaka sy mihafy amin’ny fandoavana saram-pianarana”, hoy i Ranto, mpianatra vao afaka bakalorea tamin’ity taona ity. Tsy maintsy misafidy ny fianarana ambony miankina amin’ny fanjakana kosa ireo ankizy tsy manana fahafahana ara-bola, raha nanaovana fanadihadiana. « Raha eny Ankatso, tapaka lava ny fampianarana eny an-toerana ary tsy maintsy tsinjovina ny hoavin’ny ankizy hamita ny fianarany hatramin’ny farany ka anton’ny safidy”, hoy Andriamananjara Rindra, ray aman-drenin’ny mpianatra. Nilaza izy fa anjaran’ny ray aman-dreny, ny mikaroka sy mijery ny saram-pianarana zakany, ahafahana mampiana-janaka. Manodidina ny 1 000 000 Ar isan-taona ny saram-pianarana zakan’ny ray aman-dreny, raha ny fanadihadiana. « Efa nodinihina nandritra ny herintaona ny taranja tian’ny zanaka arahana, tsy manery ny safidin’ny zanaka izahay fa manome hevitra azy ireo fotsiny », hoy Rakotoson Hajamahefa Sophie, ray aman-drenin’ny mpianatra. Misafidy ny hanaraka ny taranja teknika eny amin’ny IST ny zanany vao afaka bakalorea tamin’ity taona ity, raha ny fanazavana.
Manampy ny “salon des étudiants”
Anisan’ny manampy ireo ankizy ny fisian’ireo karazana “Salon de l’étudiant” amin’izao fotoana izao”. Toy ny « Salon de l’étudiant et de l’emploi », andiany faha-11, tetsy amin’ny kianjan’ny kolejy masina Misely Amparibe, ny 23 hatramin’ny 25 aogositra teo. «Manahirana ny tontolon’ny fampianarana ambony ankehitriny. Anisan’ny manampy ireo ankizy amin’ny fitadiavana ireo karazana sekoly sy taranja azo arahana izany”, hoy Rabenaivo Faly Hery, mpikarakara ny hetsika eo anivon’ny « Publika Mada ». Tanjona ny hamolavola ny hoavin’ny ankizy amin’ny alalan’ny fahaizana misafidy ireo taranja sy fianarana hianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Ahafahana tsara safidy amin’ny tontolon’ny asa ihany koa aorian’ny fianarana. “Tsy vitan’ny fianarana ambony irery ihany fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra (ray aman-dreny, ankizy ary ny mpampianatra) mba hahatontosa ny fianaran’ny ankizy tsirairay avy », hoy hatrany izy.
40 tapitrisa Ar raha te hianatra any ampita
Ankoatra ny fianarana ambony eto an-toerana, manam-paniriana ny hanaraka fianarana any ivelan’ny Nosy ny ankizy sasany nanaovana fanadihadiana. “Manodidina ny 30 hatramin’ny 40 tapitrisa Ariary ny tetibola homanina ho an’ireo olona manam-paniriana te handranto fianarana any ivelan’ny Nosy”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny “Andafy Studi”, sampandraharaha misahana ny fanabeazana manohana ny Malagasy mpianatra maniry hanohy ny fianarany any ivelany. Ilaina ny manomana io vola io satria tafiditra anatin’izany, ny karazana antontan-taratasy maro samihafa toy ny taratasy fidirana, visa, trano fonenana ao amin’ny campus, saram-piaramanidina, sakafo, fandaniana hafa. Miovaova arakaraka ny firenena aleha io lelavola io, raha ny fanazavana. Manodidina ny 250 tapitrisa Ar farafahakeliny ny vola hahavitana fianarana manaraka ny système LMD any amin’ny oniversite tsy miankina ivelan’i Madagasikara.
Ny fahazoana vatsim-pianarana avy any ivelany no fomba atolotra ny ankamaroan’ny Malagasy mpianatra, mba hanana fahafahana hanohy fianarana ambony any ivelany. Efa maro ireo ankizy nisitraka izany, any Chine sy any amin’ny firenena hafa. Tsy nahazo diplaoma, na dia nahavita fianarana tany aza ny ankamaroan’ny ankizy, raha ny fanazavana.
Nanatontosa : Mino
Sary : Fano