Miakatra ny maripana amin’ny tontolo politika. Manao angaredona tsy ahafahan’ny filoha am-perinasa hirotsaka ny kandidà valo. “Tahotra sahady”, hoy ny mpanohana fitondrana.
“Tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena intsony ny filoha ankehitriny. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena malagasy”, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny kandidà isany: Ravalomanana Marc, Rajaonarimampianina Hery, Andrianainarivelo Hajo, Razafinjoelina Tahina, i Paraina Auguste, Randrianasoloniaiko Siteny, Raobelina Andry ary i Masy Goulamaly. Nanterin’izy valo mianadahy fa tsy vitan’ny fandikana lalàna fa famitahana vahoaka noho ny fahadisoana ara-moraly sy amin’ny fahamendrehana izany. “Tsy afaka hanatanteraka ny andraikitra takin’ny Lalàmpanorenana hiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tombontsoa ambon’ny firenena ny fananana zom-pirenena vahiny”, hoy izy ireo.
Tsy manaiky lembenana
Etsy ankilan’izany, tsy manaiky mora ny mpanohana fitondrana. Mazava ny fanehoan-kevitra fa tahotra sy ahiahy sahady amin’ny tsy ho fahombiazan’ny kandidà hafa izany. Manambara ny mpanohana ny Filoha am-perinasa fa endrika fanilihana. “Endrika fanosihosena ny zo fototra ahafahan’ny olom-pirenena malagasy milatsaka ho fidiana izany. Fanavakavahana tsotra izao”, hoy ny fanehoan-kevitra mandrakotra ny tambajotran-tserasera amin’ny kaontin’ny mpanohana.
Randria