Nametraka antontan-taratasy fanairana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ny antoko Malagasy miara-miainga. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny didim-panjakana nivoaka tany Frantsa, manamafy fa nangataka zom-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina. “Tsy tokony hisy intsony ny Certificat de nationalité, havoakan’ny fitsarana ho an’ny filoha noho ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy”, hoy izy ireo. Nametraka taratasy fanairana sady fampahafantarana ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy izy ireo ny amin’ny tsy tokony hisitrahan’ny filoha izany “Certificat de nationalité » malagasy izany, araka ny nambaran’ny birao politika, ny Me Rakotomalala Rija. Tokony hampihatra araka ny tokony ho izy ny lalàna velona sy manan-kery isika, araka ny nambarany. Nanteriny fa dingana voalohany ihany izao hirosoan’izy ireo izao. Tsy azo ihodivirana ny dingana lalindalina kokoa momban’ny fizakan’ny filoha Rajoelina Andry ny zom-pirenena vahiny.
Tsiahivina fa anisan’ny nanasonia ilay fanambarana iombonan’ireo kandidà miisa valo koa ny kandidàn’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo.
Synèse R.