Nitohy omaly, indray ny hetsika fitakian’ireo mpiasa tsy mpiasam-panjakana eny anivon’ny Cnapmad Ankorondrano. Tsy mbola nandray karama nandritra ny telo volana izy ireo ka anton’ny fitokonana. « Efa miditra ny mpianatra ka tsy misy tokotaniny ny fianaran-janakay, tsy mbola voaloha ny saram-pidiran’ny mpianatra, ny hofan-trano, ny sakafo hohanina sy ny maro hafa », hoy ny solontenan’izy ireo, Ramahavonjy Jean Ludovic. Miantso ny filoham-pirenena, ny praiministra, sy ny minisitra ary ireo solombavambahoaka izy ireo mba hijery sy hamaha ny olana. Nilaza izy ireo fa tsy mandray andraikitra ny tale sy ny delegen’ny mpiasa.
Ankoatra izay, manamafy sy miantso ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ny mpitokona. Mba hamahana haingana sy hisorohana ny olana miverimberina raha ny fanazavana hatrany. Hiroso amin’ny dingana sy fitakiana mafimafy kokoa izy ireo ny zoma ho avy izao raha mbola tsy mivaly ny fitakiana.
Mino