Baolina kitra : hanao famaranana amin’i Madagasikara i La Réunion

Nahazo ny tapakila hiadiana ny medaly volamena ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Resin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana i Comores.

Toy ny tamin’ny taona 2007 ihany ny famaranana ny taranja baolina kitra ho an’ity lalaon’ny Nosy ity. Hiverina hifanandrina amin’i La Réunion indray i Madagasika­ra, ny sabotsy 2 septambra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Tsiahivina fa mbola manala vela ny Malagasy, resin’i La Réunion tamin’ny alalan’ny “tir au but” ny Barea tamin’io fotoana io.
Tsiahivina fa ny ekipam-pirenena malagasy, nandresy an’i Comores, tamin’ny isa 4 no ho 2, nandritra ny manasa-dalana natao tetsy Mahamasi­na. Lavon’ny réunionais 2 no ho 1 ny Club M Maurice, tamin’io fotoana io ihany. Raha hiverenana ny lalaon’i Comores sy i Madagasikara, nanafika tsy nihambahamba mihitsy ny barea vao nanomboka ny fihaonan’ny roa tonta. Porofon’izany ny baolina tafiditr’i El Hadary, Malagasy mpilalao, roa minitra nanombohan’ny lalao (2 mn). Tany amin’ny minitra fahefatra (4 mn), nampian’i Tendry, lohalaharana malagasy indray ny isa teo amin’ny solaitrabe. Nanomboka taitra tamin’ny torimasony amin’izay ny komorianina ka nahatafiditra baolina tamin’ny alalan’ny lohany i Sadad Abdallah, Komorianina mpanafika, ny minitra faha-19. Io isa 2 no ho 1 io nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady, Rako­tondrabe Romuald Felix, mpanazatra Barea, niala i Lalaina, niditra i Tsiry. Nahatafiditra baolina indray i El Hadari, tamin’ny alalan’ny “coup-franc” ny minitra faha-48. Namono tena kosa i Berajo, ny minitra faha-58 ka nampitaintaina indray ny fifanandrinan’ny roa tonta. Nampiakatra ny isa ho 4 no ho 2 indray i Tendry, ny minitra faha-64. Nijanona tamin’io isa 4 no ho 2 io ny lalaon’ny roa tonta.
“Hiezaka ny haka ny medaly volamena izahay, ary vonona ny hiady hatramin’ny farany.” Hoy i Tendry. “Hiezaka ny haka ny medaly volamena eto amintsika izahay, ary tsy maintsy mandresy i Madagasikara”. Nambaran’i El Hadary.

Partager sur: