Hotely mandray delegasion’ny lalaon’ny Nosy : voaloa ny 70%-n’ny volan’ny mpiara-miasa

Voaefa manontolo ny 70%, volan’ireo trano fandraisam-bahiny mampiantrano ny delegasiona sy ny mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy. Miandry ny fotoana handoavana sy handraisana izany kosa ireo 30% hafa.

Manome aina ny sehatry ny toekarena malagasy, indrindra mampidi-bola ho an’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fizahantany ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara. Samy mahazo ny anjarany avy ny sehatra tsirairay, ao anatin’ izany ny trano fandraisam-bahiny mandray delegasiona sy mpilalao. “Voaefa avokoa ny 70 %-n’ny volan’ireo trano fandraisam-bahiny mpiara-miasa amin’ny komity. Miandry ny fahafahany ara-potoana haka ny anjarany kosa ny an’ireo hafa”, araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara ny lalaon’ ny Nosy. Feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny rehetra, maro koa ireo mpiantsena eny amin’ny tranombarotra lehibe eto an-drenivohitra. An­koatra izay, miroborobo ny fitadiavana ny asa tanana mala­gasy atao fahatsiarovana. Betsaka, manaraka izay, ny mpivezivezy eny amin’ny banky manakalo vola.

Fenitra
Ny trano fatoriana sy ny sakafo maraina no raisin’ireo komity mpikarakara an-tanana. Etsy ankilany, nanavao ireo fi­taovana ampiasaina ihany koa ireo trano fandraisam-bahiny. Manara-maso ny fahadiovana sy ny fenitra iraisam-pirenena takin’ny trano fandraisam-bahiny kosa ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy, hoy ny loharanom-baovao iray. Ho an’ny sehatry ny fizahantany, nisy tamin’ireo delegasiona no tonga nitsidika teny amin’ny Rovan’Ambohimanga raha nividy kojakoja fahatsiarovana teny amin’ny “village culturel” Andohatapenaka kosa ny hafa. Tsiahivina fa tsy nisy ny “village des jeux” nandraisana ny delegasiona sy ny mpandray anajaran’ny lalao ho an’i Madagasikara tamin’ity taona ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: