Tsara fanombohana ny taranja karate, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Medaly volamena 5 sy alimo iray no norombahan’ny karateka malagasy, tamin’ity andro voalohany ity. Tsiahivina fa famaranana 6 no nitranga omaly ka fandresena 5 no azon’i Madagasikara.
Ny teo amin’ny sokajy Kumite, vehivavy, no nahazoan’ny malagasy ny medaly 3, nahitana an-dRazafimboninahitra Karine Elodie (-61kg), Raboanaritompo Jessica Soary (-68kg) ary Ravahamanantsoa Nancy Maria (+68 kg). Teo amin’ny sokajy Kumite lehilahy kosa no nahazo medaly volamena 2, nahitana an-dRaherimahaleo Jean Mbyck (-75 kg) sy Rijaharitiana Fenosoa Patrick (-84kg). Nahazo ny medaly alimo iray, teo amin’ny sokajy Kumite, lehilahy +84 kg, Rafanomezantsoa Dina Niaina. Nambaran’ny mpanazatra nasionaly, Sensei Rakotobe Charlie fa efa nanomana 7 volana ireo atleta malagasy ireo ka efa niomana ny hibata fandresena. Fanamby ny haka ny medaly volamena 16 ho an’ny karate, 5 anefa no azo hatramin’izao, hoy hatrany ny nambarany. Nanamafy kosa ny filohan’ny federasiona malagasin’ny karate, Ratefinanahary Emile, fa hiezaka ny tsy hamotsotra ireo medaly ambiny mbola hiadivana ny Malagasy mpikatroka. Araka ny fandaharam-potoana, famaranana maromaro no hita etsy Mahamasina amin’ny anio. Anisan’ny hiatrika izany, ny sokajy kumite, -60kg sy 67 kg, lehilahy, -50 kg sy -55 kg, vehivavy, ary ny “par équipe ” lahy sy vavy. Hitohy rahampitso sabotsy izay famaranana izay ka anisan’ny hiatrika izany ny sokajy Kata vehivavy isan-tarika, ahitana an’i Mirantsoa, i Laurencia ary i Gaelle.