“Ny tsy fanomezana sehatra ny Malagasy manampahaizana no antony iray tsy mampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny mpahay toekarena, Rakoto David, nandritra ny varavarana misokatra teny amin’ny sekoly ambony tsy miankina, ESUM, Andavamamba, omaly. Nilaza izy fa disoana ny fiheverana fa tsy mahay ny Malagasy ka tsy maintsy miandry ny vahiny mpandraharaha hampiasa vola sy hiara-hiasa amin’ny Malagasy foana. “Hijanona tsy handroso hatrany ny firenena raha mbola manana izany fisainana izany”, hoy hatrany izy.
Ilaina ny fanomezan-danja ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana omena ireo mpianatra, raha ny fanazavany hatrany. Ampirisihina sy ampiana ihany koa izy ireo mba hahay hanangana orinasa ho azy manokana fa tsy iankina lava amin’ny vahiny. Anisan’ny sekoly manome sehatra izany ny sekoly ambony tsy miankina etsy Andavamamba. Nisy ny boky tari-dalana navoakan’ireo mpampianatra mikasika izany ka nampahafantarina omaly. Atolotra ireo mpanapa-kevitra rehetra eto amin’ny firenena ny boky. Notanterahina omaly, ny varavarana misokatra ho an’ny sekoly ambony tsy miankina ESUM. Niaraha-niasa tamin’ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy eto Madagasikara. Nahafahana namelabelatra lohahevitra maro samihafa toy ny fananganana orinasa.
Mino