Village Culturel Andohatapenaka. Mitohy hatrany ny fampialana voly, eny amin’ny an-toerana, ato anatin’izao lalaon’ny Nosy izao. Ho an’ny fampisehoana anio, hanafana ny sehatra ny Reko Band, Trio II G5, Denise. Mbola mitohy ihany koa ny ranty samihafa maneho ny hakanto sy ny maha izy ireo nosy ato amin’ny ranomasimbe Indianina.
Echec-Tompondakan’i Afrika. Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 septambra 2023 ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Echec, ho an’ny tanora. Miisa folo mianadahy ireo solontenan’i Madagasikara hiatrika izany.
“Ndao hiara hi-vibes”. Tanterahina anio manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Vibes Besarety, ny seho iarahana amin’i Silo. Hanakoako eny an-toerana ireo hira nahalalana sy nankafizan’ny maro azy hatramin’izay “Rimorimo”, “Nofinofy”. Araka ny nambaran’ny mpanakanto, elaela tsy nihaona ka seho goavana no hisantarana izany.
« Ambatomanga, le Silence et la douleur ». Hisy ny fampahafantarana ny sanganasan’i Michèle Rakotoson, anio manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny IFM Analakely. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ity fampahafantarana ity. “Ambatomanga, le silence et la douleur” izay efa nisongadina hatrany Afrika.