Ampasindava: nahazo karatra sy kojakoja ny mpanjono

Seha-pihariana mbola malalaka ary anisan’ny tosika ho an’ny toekarena ny jono. Nozaraina karatra maha mpanjono 70 isa miampy akanjo 21 ny mpanjono avy ao amin’ny CLP Ampasindava, ny zoma teo. Nampahatsiahivina nandritra izay ny fanajana ny lalàn’ny jono, ny fanatanterahana ny fepetra maha mpikambana ary ny fahazoana “carte mareyeur”.

Namatsy vola ny tetikasa ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana « ONG BIOPAMA » miasa ao anatin’ny « Madagascar National Parks », Nosy Hara. Santatra am-bavarano ity hetsika ity fa mbola hitohy amina kaominina efatra ao an-toerana.

Tsiahivina fa olona aman-tapitrisa maro no mivelona amin’ny jono sy ny toekarena manga. Mahavelona ity seha-pihariana ity noho ny Nosy malagasy manan-karena hazandrano. Araka izany, ilaina ny fanarahana ny fepetra sy ny lalàn’ny jono, hisorohana ny fihoaram-pefy. Ankoatra izay, misy ny fiofanana isan-karazany ataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hampiroboroboana ny asa manga, amin’ny alalan’ny fampamokarana anaty rano. Ao anatin’izay ny fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro, ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary ary ny dobo vita simenitra.

Henintsoa H.

Partager sur: