Nofaranan’ny Barea de Madagascar, tao anatin’ny hafaliana ny lalaon’ny Nosy. 30 taona aty aoriana, naverin-dry zalahy eto Madagasikara indray ny medaly volamena eo amin’ity taranja baolina kitra ity. Fony ry Rôrô, mpanazatra ny Barea ankehitriny, no nahazo izany farany ny Malagasy. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny famaranana, natao tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, resiny tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, i La Réunion. Baolina matin’i Tendry, tamin’ny alalan’ny “penalty”, tany amin’ny minitra faha-116n’ny fanalavam-potoana.
Raha hiverenana ny lalao, nanindry 75% ny Barea tao anatin’ny 90 mn sy ny fanalavam-potoana. Tsy neken’ny réunionais anefa ny “penalty” azon’i Barea, rehefa voafingana tao anaty faritra tsy azo ivalozana, i Tendry. Rehefa nifandirana teo, nodakana ihany izany ka maty. Vao nandeha anefa ny “centre”, niditra teny ambony kianja ireo mpilalao fiandry sy ny mpanazatra ka nikasa hikasi-tanana ny mpitsara maorisianina, saingy voasakan’ny mpitandro filaminana izy ireo. “Efa voafafa ny fahoriana nitranga tamin’ny 2007 sy 2019. Faly aho ary mankasitraka ny zava-bitan’ireo mpilalao”, hoy i Rôrô.
Marihina fa nanainga omaly, nihazo an’i Luanda ny Barea, hiatrika ny fihaonana amin’i Angola, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2024. Lalao hatao ny 7 septambra izao, raha tsy misy ny fiovana.