Filoha Rajoelina Andry: « Tratra ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy ity, voalohany i Madagasikara »

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy 2023.  Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Hatao any Comores ny andiany faha-12.

“ Tratrantsika ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity, nahazo ny laharana voalohany i Madagasikar.”, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly. Izy rahateo no nitarika ny lanonam-pamaranana natao tetsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina. “Manana ny lanjany amin’ny resaka fanatanjahantena eto Afrika ary indrindra fa ny eto anivon’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Mankasitraka tanteraka ny atleta malagasy rehetra aho, indrindra fa ny mpanohana an’i Madagasikara. Fifaliana lehibe no nandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, na nisy aza ireo tsy nahatoky ny fisiany izany teto an-toerana”, hoy izy. Nilaza ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, Resampa Haja André, fa ity andiany faha-11, izay notanterahina teto amintsika, ity no lalaon’ny Nosy lehibe indrindra hatramin’izay.

Tonga nanatrika ny fotoana, ny filohan’ny Komisionina misahana ny lalao iraisam-pirenena (CIJ), Antonio Gopal. “Nahafinaritra ary nahafa-po ny fandraisana sy ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara. Hipetraka ho tantara fa ity andiany faha-11 ity no goavana sy tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny lalaon’ny Nosy.”Araka ny hevitr’ity filohan’ny CIJ ity.

Marihina fa naharitra folo andro ny lalao natao teto Madagasikara. Nahatratra 4 213 ny atleta nifaninana. Samy nahatonga solontena avokoa ny nosy fito anatin’ny ranomasimbe Indianina: Maurice, Mayotte, Maldives, Comores, La Réunion, Seychelles, ary i Madagasikara mpampiantrano.

Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Comores ny lalaon’ny Nosy 2027, andiany faha-12.

Partager sur: