Seha-pihariana: mahatratra hatramin’ny 1 000 000 Ar ny vidin’ny bitro iray tsara karazana

Efa manomboka ahitana mpiompy bitro avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy. Amin’ny ankapobeny, miompana amin’ny fiompiana bitro nentim-paharazana ny ankamaroan’ny tantsaha. Efa manomboka misokatra tsikelikely amin’ny fiompiana moderina, amin’ny alalan’ny fiompiana ireo bitro tsara karazana sy tsara taranaka izany ankehitriny. Tanjona ny hahazoana vokatra tsara kalitao sy mahafa-po ho an’ny mpanjifa.

 

Antsoina amin’ny teny siantifika hoe “Oryctolagus cuniculus” ny bitro. Anisan’ny biby fiompy madinika, mandady, mora ompiana ary mora ahazoana taranaka haingana izy ireny. Miteraka intelo na inefatra isan-taona ny bitrovavy iray. Manodidina ny telo hatramin’ny 14 ny zanany, mandritra izany. Efa manomboka fantatry ny Malagasy ny fiompiana bitro, raha eto Madagasikara. Sehatra iray tena mbola malalaka raha hifotorana atao asa fivelomana izy io, raha ny fanadihadiana natao.  “Tsy marina ny fitenenana hoe mitsatoka amin’ny bitro ny vola na boatin-drakitra fotsiny izany na koa mamono antoka, satria ahazoana tombony sy mahalasa lavitra ny fanaovana izany, raha mahay mitantana sy mikarakara ny mpiompy“, hoy ny teknisiana momba ny bitro sady tompon’ny restaurant “menu lapin”, Razafimandimby Herilala Daniel. “Mahatratra hatramin’ny 1 000 000 Ar ny vidin’ny bitro iray raha tsara karazana“, hoy hatrany izy. Mahavelona tsara ny fiompiana bitro satria mahazo tombombarotra manodidina ny 4 000 000 Ar isan-taona ny mpandraharaha misehatra amin’ny fiompiana bitro, raha ny fanadihadiana natao. Efa hialan’ireo masonkarena isan-karazany izany. Tsy maintsy mandalo fiofanana feno ny mpiompy mba hahatongavana amin’izany, raha ny fanazavana azo.

Hianarana avokoa ny fahaiza-mitantana ny vola miditra sy mivoaka rehetra.

Maro karazana ny bitro fa arakaraky ny tanjona apetraky ny mpiompy any am-boalohany ny fisafidianana ireo karazany tiany hompiana. Misy ny bitro natao hakana taranaka fotsiny. Toy ny Géant blanc de Bouscat (GBB), fotsy ranoray,mitsangana ny sofiny, mena ny masony. Ny Géant des Flandres (tokan-doko), vaventy vatana sady lafo vidy eto an-toerana izy io. Mahatratra hatramin’ny 50 000ar ny iray, roa volana, aminy. Raha hatao fakana hena indray, misafidy ireo karazany haingam-pitombo. Toy ny Néo-Zélandais blanc, fotsy daholo ny vatany, ny masony manana loko « rose claire». Ny Californien, miloko fotsy ny vatany afa-tsy ny sofiny, orony, tongony. Miloko mainty kosa ny rambony ary mavokely ny masony. Tafiditra ho anisan’ny bitro be nofo izy. Ankoatra izay, ny  Argenté de Champagne, ny Fauve de bourgogne . Azo atao ihany koa ny manakambana karazam-bitro roa samihafa. Mba hahazoana bitro vaventy haingam-pitombo.  Misy ihany koa ny bitro natao ho namana ao an-tokatrano fotsiny antsoina hoe « lapin nain » na « Angora », karazany be volo indrindra.

Ambany ny tahan’ny cholesterole

Manampy amin’ny tsy fahampian-kena aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny bitro. Sokajina ho anisan’ny hena tena tsara indrindra ihany koa izy oharina amin’ireo henam-biby rehetra. Henafotsy ary ambany be ny tahan’ny cholesterole ao anatiny. Tafiditra anatin’ny karazam-biby manome hena betsaka amin’ny fotoana fohy izy satria mahatratra roa hatramin’ny enina kilao ny lanjany. Miteraka eo amin’ny 40 isan-taona ny bitro iray ary manome hena 50 hatramin’ny 60 kg izany. Ankoatra izay, mitondra 18 hatramin’ny 21 g ny “protéine” sy 12 g ny tahan’ny menaka avy aminy. 67-73g eo ny rano azo avy aminy. Mitondra “calories” hatramin’ny 200kcal, noho izany.

Fanjifan’ny Malagasy

Mbola vitsy ny Malagasy manjifa ny bitro raha eto Madagasikara manokana. Efa miezaka mampahafantatra izany ireo mpandraharaha misehatra amin’io fiompiana io, eto an-toerana. Manodidina eo amin’ny 25 000 Ar ny kilao ho an’ny lanja maty. Eo amin’ny 15 000 hatramin’ny 18 000 Ariary ny kilao raha lanja velona. Olana goavana ho an’ny mpiompy ny fiakaram-bidin’ny sakafo sy ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana sakafom-bitro. “Mangataka ny hijeren’ny fitondram-panjakana izany ireo tantsaha mba hahafahana manosika ny tena mpiompy sy mpamboly”, hoy hatrany Razafimandimby Herilala Daniel. Tanjona ny hahazoana vokatra tsara ary hamoronana asa ho an’ny tanora ihany koa.

Afaka manomboka miompy bitro ny olona iray raha manana toerana na dia iray metatra tora-droa aza. Tsy mila volabe ihany koa. Mbola betsaka ary mora hita ny sakafony na ambanivohitra na antanàn-dehibe. Toy ny vilona maina, karazana legioma, haricot vert sy karaoty, anana ary ny karazana zava-maitso toy ny talapetraka, voaroy hazo, mandalo dia raikitra sy ny maro hafa. Manampy izany, ny provandy. Ankoatra izay, mitarika ny fahafatesan’ny bitro ny fahalotoan’ny trano fonenany. Ampy ho an’ny bitro anankiray lehibe, manodidina ny 6 na 7 volana eo, ny toerana 1m2. Tia ny toe-tany mangatsiaka fa tsy mahazaka hafanana sy hamandoana ny bitro amin’ny ankapobeny.

Mino

Partager sur: