Sombim-baovao

Ho ezahina hampidirina ao anatin’ny sata mifehy ny fanatanjahantena eto an-toerana ny resaka matihanina. Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha. Natao hifantohan’izy ireo amin’ny resaka fanatanjahantena sy ho fampivoarana izany no anton’ity vina ity.

Hotanterahina any Mahajanga sy Antsirabe, ny 15-24 septambra ho avy izao ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana D2 Nasionaly, taranja baolina kitra. Miisa 12 ireo ekipa tafita hiatrika izany, anisan’izany ny FC Zoya Boeny sy ny FC Inate Vakinankaratra. Tsiahivina fa nozaraina ho vondrona roa izy ireo.

Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fihaonan’ny Young Buffaloes sy ny Olympique Moroni, ilay vehivavy malagasy, Christina Razanampiavy, mpilalao baolina kitra, klioba Olympique Moroni.  Marihina fa nisaraka ady sahala 3 no ho 3 ny ekipa roa tonta, saingy nahavita tolotra iray sy nahatafiditra baolina tokana i Christina.

Maratra i Konate, Frantsay vodilaharana, baolina kitra. Taorian’ny lisitra navoakan’ny Frantsay Mpanazatra ny les Bleus, Didier Deschamps, nahazo antso ny teknisian’izy ireo fa tsy afaka milalao i Ibrahima Konaté noho ny ratra mahazo azy. Araka izany, soloin’i Jean –Clair Todibo ny toerany.

Partager sur: