Mitohy avy hatrany ny asa ho an’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy. Efa manomana ireo atleta amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024) izy ireo.
Nambaran-dRamanantsoa Christian, filohan’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, tamin’ny mpanao gazety, ny alatsinainy teo, teny Iavoloha, fa mitohy avy hatrany ny asa ho azy ireo. Efa manomana sahady ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Frantsa, izy sy ny ekipa teknika.
Fihaonana hotanterahina any Sénégal, ny 10 sy ny 11 febroary 2024. Mieritreritra ny handefa atleta 4 mianadahy, ka 2 lahy sy 2 vavy, amin’izany fihaonana izany ny federasiona tarihiny. “Tsy mbola fantatra ny sokajin-danja fa miankina amin’ny vokatry ny fifantenana hataon’ireo mpanazatra sy ny ekipa teknika ny hahalalana izay handeha amin’izany”, hoy izy.
Tsiahivina fa sokajin-danja valo no hiadiana toerana ka 4 eo amin’ny sokajy lehilahy : -58 kg, -68 kg, -80 kg, +80 kg. 4 ihany koa ny vehivavy : -49 kg, -57 kg, -67 kg, +67 kg. Hahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika ireo 2 voalohany isaky ny sokajy.
Ankoatra izay, nanambara ny tenany fa afa-po tamin’ny vokatra azo nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo. Raha tsiahivina, nandrombaka medaly volamena miisa 15 ny taranja taekwondo malagasy, tamin’ity. Nisaorany ny filoham-pirenena, nanolotra fankaherezana ho an’ireo atleta nahazo medaly. Tsy hadinony ihany koa ireo minisitra “coach” nanohana nandritra ny fanomanana dia ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny Fiompiana sy fambolena ary ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana. “Ezahina hatrany ny hanatsara ny vokatra efa azo”, hoy izy.
Tompondaka