Basikety: hilalao any Etats-Unis i M’Madi sy i Lova

Taorian’ny Mondial U19 izay natao tany Hongrie, ny volana jolay lasa teo, manomboka maro ireo klioba any ivelany no mitily Malagasy mpilalao. Anisan’ireo handeha hifindra lasy any Amerika ry Mathias M’Madi sy Andriatsarafara Lovasoa, Malagasy roa mpilalao basikety. Araka ny fikarohana natao omaly, hiaraka hilalao amin’ny Seward Country Saints, sokajy Juniors izy mirahalahy ireto.

Tsiahivina fa efa samy mila ravinahitra any ivelany avokoa ireto Ankoay zandriny ireto. Madi dia efa nilalao tao amin’ny klioban’ny Elan Chalon tany France raha toa ka efa nandrafitra ny ekipan’ny Christian Academy New York, Etats-Unis. Tsara ny mampahafantatra fa i Mathias M’Madi, voahosotra ho mpilalao mpampiditra baolina betsaka indrindra ary efa niatrika ny Global Jam Fives izy ny volana jolay lasa teo.

Marihina fa i Lova, kapitenin’ny ekipam-pirenena Ankoay zandriny, nahavita “double double”, (11 points, 8 rebonds) isaky ny lalao nandritra ny Mondial U19.  Tsara marihina fa teo amin’ny laharana faha-14 ny Ankoay nandritra ny FIBA World Cup U-19. Tamin’ireo lalao fito nataony, nahazo fandresena roa sy faharesena dimy izy ireo.

Fitia

Partager sur: