Rallye AMA: foanana noho ny fifidianana

Nanambara, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny federasiona sport auto Malagasy (FSAM), ny klioba Antananarivo Moto Auto (AMA), ny talata lasa teo, fa tsy hisy ny Rallye karakarain’izy ireo, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Noho ny fisian’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena tanterahina eto Madagasikara ny anton’izany.

Raha tsiahivina, anisan’ireo hiadiana ny ho tompondakam-pirenena ny Rallye AMA. Marihina fa mamarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany. Raha ny fandaharam-potoana, voalahatra hatao ny 1 sy 2 ary 3 desambra ho avy izao saingy izao nesorina tsy ho ao anaty hazakazaka izao.

Tsy misy afa-tsy 4 ihany izany ny dingana hotanterahina eo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny Rallye, amin’ity. Efa tontosa ny 3 tamin’ireo dia ny an’ny FMMSAM, nanokatra ny taom-pihazakazahana. Teo koa ny Rallye International de Madagascar (RIM), andiany faha-44, notontosain’ny klioba ASACM ary ny an’ny TMF. Hanakatona, ny Rallye ny an’ny ASA Tana, hatao ny 8, 9 ary 10 septambra, ho avy izao.

Torcelin

Partager sur: