Fizahantany: ivon’ny fampandrosoana ny toekarena manga

Seha-pihariana mifandray sy mifanampy amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasiakara ny fizahantany sy ny toekarena manga. Miteraka asa, mampidi-bola ary mampahafantatra kolontsaina sy asa  tanana maro eo anivon’ny fiarahamonina mipetraka amorontsiraka ny fizahantany. Araka izany, nanamafy ny fiaraha-miasany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, omaly. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany amorontsiraka maharitra anatin’ny fandraisana andraikitra. Izany hoe, fikolokoloana ny rohivoahary anaty rano, ny fikajiana ny tontolo iainana ary ny fandraisan’andraikitry ny mponina ao an-toerana amin’ny fitantanana ireo asa mifandraika amin’ny fizahantany amorontsiraka.

Fanamby

Tanjon’izao fiaraha-miasa izao ny hampahafantatra ny hakanton’ireo morontsiraka sy hitandrovana ny hatsarany ho an’ny fampandrosoana iraisana. Mifampiankina ny fizahantany sy ny toekarena manga. Misy ny vina napetraky ny roa tonta ho an’ny fampandrosoana ny firenena malagasy. Araka izany, vonona hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny mpiantsehatra rehetra hampitombona ny harinkarena faobe  anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Midadasika ny morontsirak’i Madagasikara. Maro karazana ny harena an-dranomasina sy kolontsaina mampiavaka antsika. Tombony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena manga sy ny fizahantany ireo rehetra ireo.

Henintsoa H.

Partager sur: