Lalam-pirenena faha-44: Vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry, faly ny mponin’Alaotra Mangoro

Afa-trosa ! vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoakan’ny faritra Alaotra Man­goro. Foto­dra­­­fi­trasa maro no no­tokanana ta­min’ny sabotsy, tao Moramanga sy Ambatondraza­ka.

Tetezana, biraon’ny kaomisaria, orinasa madinika, toby mamokatra herinatra mandeha amin’ny masoandro, sy kianja manara-penitra, ary ny lalam-pirenena faha-44. Ireo no fotodrafitrasa notokanan’ny kandidà Ra­joelina Andry, izay vao nahavita ny fotoam-piasany voalohany, omaly. Natao tao an-tampon-tanànan’i Moramanga sy Vohidiala, ary Ambaton­drazaka izany. Nilaza ny filoha nandritra ny lahateny nataony fa afa-bela, nanaja ny teny nifanomezana tamin’ny mponina Alaotra Mangoro izy. Indrindra fa tamin’ireo raiamandreny izay nilokalokany sy nanaovany velirano mahakasika ny lalam-pirenena faha-44 iny. “Raha nandalo teo Ambatondrazaka aho ny taona 2018, nanao ny fampielezan-kevitra dia anisan’ny toky nomeko anareo, indrindra ny raiamandreny ny tsy maintsy hahavitako ity lalana ity. Betsaka no tsy nino tamin’izany ka tsy maintsy niniana sy nanao velirano ara-bakiteny aho. Anio ( sabotsy lasa teo) vory eto isika mitokana ny lalana, vavolombelon’ ny fahavitany. Faly ny tenako, faly ianareo, faly isika ka tsy maintsy ho tohizana ny ezaka sy fampandrosoana an’ny faritra Alaotra mangoro”, hoy izy. Nanamafy ny fahafaham-pon’ny vahoaka sy nitondra ny teny fankasitrahana ho an’ny filoha Rajoelina Andry ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Ndriamihaja Livah Andrianatrehina izay zanaky ny faritra.

Manova zavatra!
Ny lalana no antoky ny fampandrosoana! Ambetin-teny mahazatra izany. Mana­porofo izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-44. Ha­nova ny kajikajy amin’ny tontolo politika. Anisan’ny faritra malaza amin’ny fanohanana ny filoha teo aloha Ravalo­ma­nana i Alaotra Mangoro. “Hi­tsimbadika tanteraka anefa izany ankehitriny. Hamaly fitia ny filohan’ny Repoblika, Ra­joe­lina Andry, izany. Raha natao fitaovana politika sy fampielezan-kevitra ny lalana mankaty aminay hatrizay. Natao ho fangalam-bato fotsiny. Iza no tsy ho faly raha mahita ny lalana migodana. Natao adin’ny dimy mahery ny zotra Moramanga mankany Ambatondrazaka, tafakatra adin’ny valo na matory an-dalana izany rehefa fotoanan’ny orana. Ankehitriny, efa vitan’ny fiara tsy mataho-dalana anatin’ny ora roa izany, manodidina ny ora telo ho an’ny fiara fitateram-bahoaka tsy mijanonjanona. Tena nahamenatr’olona mihitsy izany hoe fiara avy aty Ambaton­drazaka izany taloha noho ny jofo mandoto fiara. Tena afaka ny fijaliana ka isaoranay ny filoha izany”, hoy ny solombavambahoaka Rakotondra-zafy José Alain. Torak’izany ny ben’ny Tanàna any an-toerana. “Faly izahay ka misaotra ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry. Fitia mifamaly no mahatsara fihavanana”, hoy Atoa Andriambololona Alexis, ben’ny Tanàna ao Andaingo, izay nandray ny filoha teny am-patongavana.

Hiroborobo ny lafiny ny toekarena

Ankilany, mahazo vahana ny lafin’ny toekarena. Velombolo ny sarambabem-bahoaka indrindra ny olon-tsotra sy ny mpitatitra. “Tsy misy ady hevitra fa tena mitondra vokatsoa ho anay ny fahavitan’ny lalana. Misosasosa ny dia ho anay izay mikarama mitatitra entana sy olona amin’ny kibôta Moramanga mankaty Morarano gara. Milamina ny dia sady tsy mandreraka.”, hoy Rambelo Tsilavina, mpikarama isan’andro. “Ho anay indray, zava-dehibe ny fahavitan’ny lalana satria mihena ny fandaniana amin’ny solika sy ny fanamboarana fiara. Tsy mandreraka ny dia satria vetivety dia tonga”, hoy Rasamy, mpamily fiara fitateram-bahoaka.
Ho an’ny olon-tsotra dia fifaliana sy fisaorana ary fiandrandrana ny hanohizana ny asa fampandrosoana tahaka izao no andrasany. Ho an-dRamatoa Ravaomanarivo Solomampionona, mpanao hotely, ao Morarano Gara dia mahafaly azy ny fahavitan’ny lalana na dia somary nampihena ny isan’ny mpanjifa ao aminy izany. “Mihavitsy ny mpitondra kamiao misakafo ato. Kanefa tsy mampaninona izany satria lasa velona be ny tsenan’ny kaominina hatramin’ny fahavitan’ny lalana”, hoy izy nizara ny fomba fijeriny.
Nanome toky ny filohan’ny Repoblika teo aloha fa hitohy ny fampandrosoana an’Alaotra Mangoro.

Nanatontosa: Riana Raymond
Sary Fanou

Partager sur: