Fahavitan-tena ara-tsakafo: hojerena ny paikady laharam-pahamehana

Dinihina ny paikady vaovao hanatsarana ny lafiny ara-tsakafo eto amintsika sy maneran-tany. Karohina ny laharam-pahamehana ho tanterahin’ny mpisehatra voakasika avy.

Nanome toromarika ny Rafitry ny Firenena mikambana ara-tsakafo (SNUA), ny taona 2021, fa mila mamorona paikady sy rafitra vaovao mikasika ny sakafo maneran-tany. Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa fakan-kevitra amin’ireo sehatra isan-tsokajiny. Nilaza Rtoa Raherijaona Clara, masoivohon’ny Rafitra ara-tsakafo, sady talen’ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), fa efa namolavola ny anjarany tato anatin’ny volana vitsy i Madagasikara. Nojerena nandritra ity atrikasa ity ny asa hatao laharam-pahamehana, ny tetibola ilaina ary ny mpisehatra voakasika eto an-toerana sy avy any ivelany.
Nandray anjara tamin’ny atrikasa ny sehatra voakasika rehetra. Anisan’izany ny ao amin’ny fambolena sy ny fiompiana, ny tontolo iainana, ny fahasalamana, sns. Eo koa ny sehatra tsy miankina, ny teknisiana afaka manasongadina ny fahalalany sy ny fikarohany. Manampy ireo, ny fiarahamonim-pirenena (OSC), izay manana ny mpiara-miombon’antoka manohana azy ara-bola sy ara-teknika (PTF).

Jerena manokana ny any Atsimo

Havoaka ny tatitra rehefa voaangona ny hevitra ahafahana manatanteraka azy. Nojerena koa anefa raha misy ny singa mbola tokony hahitsy. Firenena hanaovana fanadihadiana mikasika ny lafiny ara-tsakafo ny any Malawi, Etiopia ary Nizeria. Nomarihin-dRtoa Raherijaona Clara, fa anisan’ny hojeren’i Madagasikara manokana ny paikady horaisina ho an’ny any atsimon’ny Nosy, faritra ahitana ny kere matetika. Naroso tao amin’ny atrikasa ny soson-kevitra, nijerena ny laharam-pahamehana. Vokatra nandrasana ny nijerena ny asa tena maika, toy ny lafiny otrikaina isan-karazana ilaina amin’ny sakafo, ny karazan-tsakafo, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: