Atao eto Madagasikara, omaly 11 sy anio 12 septambra, ny fivoriana iraisam-pirenena mikasika ny tontolo an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Fotoana entina hankatoavana ny fitantanana manontolo ny morontsiraka (GIZC). Mandray anjara amin’ity fivoriana ity i Tanzania, Afrika Atsimo, Mozambika, Somalia, Kenya, Kaomoro, Frantsa (La Réunion), Maorisy, Seychelles, Madagasikara ary ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana mikasika ny tontolo iainana (SNUE).
Voakasik’izany ny asa fiharian’ny olombelona anaty ranomasina sy ny morontsiraka. Miisa efatra ny lohahevitra lehibe ao anatin’ny fifanarahana. Voalohany, ny fiarovana ny karazana hazandranomasina sy ny zavamaniry. Faharoa, ny fiaraha-miasa hiadiana amin’ny fahalotoan’ny ranomasina raha sendra misy loza. Fahatelo, ny ady amin’ny fahalotoan’ny ranomasina vokatry ny asa an-tanety. Fahefatra, ny fifanarahana mikasika ny fitantanana manontolo ny morontsiraka (GIZC), efa nankatoavin’ny governemantan’ny firenena tsirairay ny lafiny teknika.
Njaka A.