Hamokatra voatabia voahodina hatrany amin’ny 1t ary hipaka mivantana amin’ny tantsaha mpamokatra ny tombontsoa azo avy amin’ny fametrahana ny milina mpanodina voatabia ao Ambatondrazaka.
Toerana anisan’ ny mamokatra voatabia ny distrikan’Ambatondrazaka. Tafakatra 16 500 t isan-taona ny vokatra ao an-toerana. Tonga nanolotra milina mpanodim-bokatra ny filoham-pirenena ny sabotsy teo Ambalabako Ambatondrazaka. Orinasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “one district one factory” (ODOF) ity fotodrafitrasa ity. Hanodina voatabia 1t isan’ora ny taninketsa indostrialy ary afaka miodina adin’ny enina isan’andro ity milina ity. Hamoaka « concentré de tomate », « ketchup na sauce de tomate » manodidina hatramin’ny 1,5 t isan’andro ny milina. Hamatsiana ny faritra sy hamidy eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritany ireo vokatra voahodina. Hanome asa ao Ambatondrazaka ny tetikasa, manodidina ny 20 ny olona hanodina mivantana ny orinasa. An’arivony koa ireo tantsaha hahazo tombontsoa..
Fampandrosoana
Hahafahana mamoaka vokatra sy mampitombo ny harinkarena ny fahavitan’ny RN44. Maro ny distrika sy faritra hafa nisitraka ozinina toy ny fanaovana chips, kobam-bary, menaka sy vokatra hafa tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. “Tombony ho anay ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa ODOF. Afaka mamatsy ny kojakoja ilainay ny orinasa. Avy eo izahay mamerina izany amin’ny vidin’ny voatabia. Mazava ho azy fa hitombo ny velaran-tany hambolena voatabia ary hiakatra ny fari-piainanay”, hoy ny filohan’ny koperativa Mihary, Rabenoavy DieuDonné.
Henintsoa Hani