Tanterahina anio, any Chine, ao amin’ny tanànan’i Beijing, ny fetibe ana habakabak’i Chine sy Afrika amin’ity taona 2023 ity. “Habakabaka ifampizarana, nofinofy sinoa sy afrikanina” no lohahevitra voizina mandritra ity fety lehibe ity. Hetsika haikanto maro no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny fampirantiana ireo hosodokon’ny mpahay kanto maro samihafa eny amin’ny habakabaka. Manana an’i Natoa Rasolonjatovo, mpanao hosodoko, ny Malagasy misolo tena antsika ao anatin’ity hetsika ity, ary anisan’ireo miranty mandritra izany ny sanganasany.
“Ndao hiaraka hanonofy”. Io no lohatenin’ny sanganasan’i Natoa Rasolonjatovo, Malagasy mpahay kanto eo amin’ny sehatry ny hosodoko, entiny miatrika ny hetsika “Habakabaka ifampizarana, nofinofy sinoa sy afrikanina”, anio. Raha tsiahivina, tafiditra tao anatin’ny tanora afrikanina folo voalohany, nahazo loka tamin’ny fifaninanana “Ny nofinofiko” ity Malagasy mpahay hosodoko ity. “An-kafaliana lehibe no hisoloako tena an’i Madagasikara, ao anatin’ny sehatra sahala amin’itony. Ankoatra ny fampisehoana ny fahaiza-manao eo imason’ny rehetra. Fotoana hampitomboana sy hifanakalozana amin’ny mpahay kanto ihany koa”, hoy i Natoa Rasolonjatovo.
Lin