Anisan’ny hetsika ho hita mandritra ny « Slam nationale 14 » ihany koa ny « Slam à l’U ». Fifaninanana « Slam Poèsie », natokana ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo, mahafeno fepetra. Ny 14 septambra 2023, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny atrikasa fiomanana, raha ny 22 septambra 2023, mandritra ny “Slam nationale 14” no hanatanterahana ny famaranana, eny an-toerana ihany. Ny Madagaslam no mikarakara ny hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny fikambanana.
Mitombo hatrany, araka izany, ny hetsika mandritra ny « Slam nationale 14 », atao eto Antananarivo, ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023. Ankoatra ny fifaninanana ho an’olon-tokana sy ny isaky ny tanàna ary ny Slam media, hisy ihany koa ny « Slam à l’U », fifaninanana ho an’olon-tokana, natokana ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo, manana karatra maha mpianatra, taona 2022 hatramin’ny 2025. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fampiroboroboana ity haikanto ity. Taratra ny hahaliana ny olona, indrindra ny ankizy sy ny tanora, amin’ny Slam. Anisan’ny tetikasa efa mandeha amin’izao ny « Slam inter-collège », hanomezana sehatra ireo ankizy eny amin’ny ambaratonga faharoa ary efa ao anatin’ny fanaparitahana izany ny tomponandraikitra.
Lin