Sarotra, hono, ny manome famaritana ny atao hoe « fandrosoana ». Ho an’ny hafa indray, ny fampiasana ny zava-misy ananana no manome lanja ny « fandrosoana ». Iray amin’ireny ny teny raha ny nambaran’ny Unesco.
Sampandraharaha eo anivon’ny Firenena mikambana, miandraikitra ny fanabeazana sy ny kolontsaina ny Unesco. Rehefa nanome ny valim-pikarohana nataony momba ny fandrosoan’ny firenena iray na tsia ity sampandraharaha ity dia nilaza fa : « tsy misy firenena ka handroso na hahita fandrosoana amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa… ». Nohamafisin’ireo manam-pahaizana sy mpikaroka eo anivon’ny Unesco fa : « tsy maintsy ny tenin’ilay firenena ihany no hitondra fandrosoana ho an’ny mponina ao aminy. Io no hifehezany ny fifandraisany sy ny fifaneraserany ary ireo manodidina azy manontolo. Voajanahary izany raha te hahita fandrosoana miainga any ifotony ».
Ireo firenena lazaina fa mandroso sy matanjaka (toekarena, harin-karena, fiainam-piarahamonina, politika, kolontsaina…), samy mampiasa ny teniny hoentina manabe ny taranany. Anisan’ireny i Chine, Japon, sns.
Hafakely ny Malagasy !
Mihazakazaka mafy, mifandrombaka manao tsy omby aloha ny ray aman-dreny mandefa ny zanany mianatra any amin’ireny sekoly mampiasa ny teny vahiny (frantsay ny ankamaroany) ireny. Hatramin’izao, rahateo, tsy mbola nisy mihitsy ny lalàna milaza fa ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra ny zaza malagasy. « Misy antony ao », hoy ny mpandinika sy mpandalina ny fivoaran’ny fiarahamonina ! « Tsy tiana handroso i Madagasikara. Tsy tiana hahita fandrosoana ny Malagasy », hoy ny mpahay momba ny fanabeazana sy ny fivoaran’ny fiainan-janak’olombelona.
Raha ny fanambaran’ny Unesco sy ny tena zava-misy marina eto no iaingana, tsy hahita fandrosoana velively i Madagasikara. Mijanona ho resaka fotsiny ny fanomezan-danja ny teny malagasy !
HaRy Razafindrakoto