Dihy ankehitriny: fahombiazana ny « Festival Temps Fort Danse »

Hifarana rahampitso ny he­tsika goavana eo amin’ny dihy ankehitriny, natao teny amin’ny IFM Ana­lakely, nandritra ny telo herinandro. Ankoatra ny fampisehoana, hetsika maro no nentina nandravahana ny « Festival Temps Fort Danse ». Fotoana ihany koa nahafahan’ireo mpisehatra eo amin’ny dihy ankehitriny nifanakalo traikefa sy fahaiza-manao. Mbola maro ny hetsika ao anatin’izao fiafarany izao, indrindra amin’ny andron’ ny rahampitso, andro famaranana.
Afa-po tamin’ny hetsika nandritra izay fotoana nanaovana ny « Festival Temps Forts Danse » izay ireo mpankafy. Karazany maro no hita nandritra ity hetsika ity toy ny « Top rocker », « Locker », « Poper » sy ireo karazana dihy eo amin’ny tontolon’ny « Hip hop ». Nifandimby naneho ny maha izy azy ihany koa ireo vondrona sangany eto Mada­gasikara eo amin’ity sehatra ity, sahala amin’ny Compagnie Anjorombala, Lovatiana, Up of the Rap…
Ankoatra ireo, naneho sy nizara ny talentany ihany koa i Natty Kaly, teo amin’ny “Street art”, izany hoe, ny tontolon’ny fanaovana sary amin’ny tamboho. Tena nampisongadina ny hetsika ny fahatongavan’ny Compangnie Yvann Alexandre, vahiny nasaina, niaraka tamin’ny tetikasa « Makabahana ». Tsy latsa-danja koa ny antsan-tononkalon’i Falihery Ratovonirina.

Lin

Partager sur: