Kilalaon-tsaina malagasy : mirakitra zavatra maro ny fanorona

Mitaiza ny saina sy afaka atao paikady entina miaina amin’ny fiainana andavanandro ny fanorona. Mihatakon’ireo kilalao vahiny sy taty aoriana anefa izy ankehitriny. Tsy mikely soroka fa efa ao anatin’ny ezaka fameloma-maso izany ny tomponandraikitra.

Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsa­havola, manomboka ny 23 septambra 2023, ny fampianarana fanorona sy ny manodidina azy rehetra. Ny IKM, miaraka amin’i Jean Marie Lalao na Zamabe, tompondaka farany teo amin’ny fanorona, no mikarakara ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana ny fanorona sy ny tontolony amin’ny Malagasy, indrindra ny tanora sy ny ankizy.
Anisan’ny kolontsaina sy fomba nitety vanim-potoana ny fanorona. Araka ny tantara mantsy, efa tany aloha ela be tany no efa nisy ny sora-panorona, saingy nivavahan’ny olona izy, fa tsy kilalao tamin’izany. Raha ho an’ny eto Ma­dagasikara manokana kosa, tsikaritra fa efa tamin’ny andro nanjakan’i Rangita sy Rafohy no efa nisian’ny fanorona teto afovoantany. Manamarina izany ny fisian’ny sora-panorona eny Imerimanjaka Ambohijanaka. Nanomboka nisongadina kosa izy tamin’ny andron-dRalambo noho ny fankafizan’Andrianjaka sy Andriantompokoindrindra, zana-dRalambo azy. Kalaza lahy tamin’ny fanorona izy mirahalahy ireto ary tamin’izany no nampalaza ny telo noho dimy. Nandritra ny fanjakan’ Andrianampoinimerina kosa no tena nampalaza ny fanorona teto amintsika.
Misy karazany telo ny fanorona. Fanoron-telo sy fa­noron-dimy ary fanoron-tsivy. Misy ny fanasokajiana hoe ny telo ho an’ny ankizy, ny dimy ho an’ny vehivavy ary ny sivy no tena ikatrohana sy ampiasana ny paikady maro samihafa. Tao an-dapa no nanaovana ny fanorona tamin’ny andro taloha, ary natao ho fakana tetikady entina mian-tafika izy tamin’izany.

Lin

Partager sur: