« Slam nationale 14 » : vahinin’ny hetsika i Nicolas Séguy

Hotanterahina ny 29 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Mada­gas­car (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’i Nicolas Séguy, teratany Frantsay mpitendry Piano. « Concert Piano Voix », io no lohatenin’ity seho goavana iarahana amin’ity mpitendry zavamaneno vahiny ity. Ny Madagaslam no mikarakara ny hetsika ary tafiditra ao anatin’ny « Slam nationale 14 ». Mandritra io fampisehoana io, hifampizara sehatra aminy i Hichim, tompondakan’i Madagasikara 2022, teo amin’ny “Slam Poèsie”.
Mitombo hatrany ny hetsika maro samihafa, entina mandravaka sy manome lanja ny “Slam nationale 14”. Ankoatra ny efa fisian’ny “Slam à l’U” sy ny “Slam Média”. Hampiavaka ity hetsika lehibe eo amin’ny Slam malagasy ity ihany koa ny “Concert Piano Voix” sy ny fandraisan’anjaran’i Nicolas Séguy. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ity vahiny mpahay kanto ity ao anatin’io fandalovany eto Madaga­si­kara io. Hisy ny atrikasa indroa miantona iarahany sy ihaonany amin’ireo matihanina.
Raha tsiahivina, mpahay kanto feno tanteraka raha i Nicolas Séguy. Ankoatra ny maha mpitendry zavamaneno azy, mpanoratra sy mpamoron-kira ary mpandrindra ihany koa ny tenany. Anisan’ ny mpahay kanto mpihira mpiara-miasa aminy akaiky i Kery James sy ny Grand Corps Malade.

Lin

Partager sur: