Notanterahina nanomboka ny zoma sy omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe ny andro faharoa, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara.
Anisan’ireo klioba nahazo fandresena roa tamin’ity fifaninanana ity, ny JSA Ihorombe. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny GJFT Atsimo Andrefana, teo amin’ny andro voalohany izay natao tany Antsirabe, ny zoma 15 septambra lasa teo. Roa andro taorian’io, omaly alahady 17 septambra, resin’ny JSA 2 no ho 0, ny AS JFC Atsimo Andrefana.
Ankoatra izay, nahazo fahombiazana voalohany ho azy tamin’ny andro faharoa, fifanintsanana ny Jet Bongolava sy ny Espoir Betsiboka. Nomontsanin’ny Jet tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0, ny GJFT Atsimo Andrefana. Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 0 teo anatrehan’ny mpilalaon’i Betsiboka ny TGBC Atsinanana.
Marihina fa izay roa manao lalao famaranana amin’ity fifanintsanana ity ihany no miakatra ao amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, ny taom-pilalaovana 2023-2024.
Fitia
Ireo voka-dalao nandritra ny andro voalohany sy faharoa :
Andro voalohany: 15/09/2023
* Mahajanga :
FC Zoya Boeny (0) – (0) KFCA Diana
TGBC Atsinanana (1) – (1) 3FB Alaotra Mangoro
Espoir Betsiboka (0) – (1) AS 3A
* Antsirabe :
FC Inate Vakinankaratra (2) – (1) Jet Bongolava
FC JSA Level Ihorombe (3) – (2) GJFT Atsimo Andrefana
FC JM Androy (0) – (0) AS JFC Atsimo Andrefana
Andro faharoa: 18/09/2023
* Mahajanga :
Espoir Betsiboka (3) – (0) TGBC Atsinanana
KFCA Diana (3) – (1) AS 3A Amoron’i Mania
FC Zoya Boeny (1) – (2) 3FB Alaotra Mangoro
* Antsirabe :
AS JFC Atsimo Andrefana (0) – (2) FC JSA Level Ihorombe
GJFT Atsimo Andrefana (0) – (3) JET Bongolava
FC JM Androy (2) – (1) FC Inate Vakinankaratra