“Rugby Mondial 2023”: mamiratra i Afrika Atsimo sy i Irlande

Notanterahina nanomboka ny alakamisy lasa teo, tany France ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Cup 2023”, taranja rugby, lehilahy. Maro ireo ekipam-pirenena naneho ny heriny tamin’ity fifaninanana ity, omaly. Anisan’izany ny Springboks Afrika Atsimo, nanamontsana an’i Roumania, tamin’ny isa mavesatra 76 no ho 0. Ankoatra ny Springboks, nahazo fahombiazana ihany koa i Irlande. Resin-dry zareo irlandais tamin’ny isa 59 no ho 16, i Tonga. Tsiahivina fa ny Afrika Atsimo no tompondaka farany tamin’ity fifanintsanana ity, ny taona 2019. Marihina fa fandresena roa no azon’ireto mpilalaon’ny Springboks ireto nandritra ireo lalao roa nataony.
Nahita fandresena voalohany ho azy tao amin’ny vondrona A, ny ekipam-pirenena, All Blacks, Nouvelle Zélande, ny zoma 15 septambra lasa teo. Nampiondrehan-dry zareo, 71 no ho 3 i Namibie. Hiditra amin’ny andro faharoa amin’ity “Mondial 2023” ity, ny vondrona D anio. Hifanandrina amin’izany, ny XV de la Rose, Angleterre sy i Japon. Tsiahivina fa i Japon no mitana ny laharana faharoa ao amin’ity sokajy ity raha toa ka fahatelo no misy an’i Angleterre.

Fitia

Partager sur: