Rugby: tsy nahazo ny tapakila Olympika ny Makis de Madagascar

Rava ny nofinofin’ny Makis de Madagascar, lehilahy, eo amin’ny fiatrehana ny “lalao Olympika (JO 2024)”, taranja rugby lalaovina olona 7, tanterahina any Paris France. Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ny lalan-dry zalahy.

Nosakanan’i Zimbabwe ny lalan’ny Makis de Madagascar, ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao Olympika, tanterahina any Paris France amin’ny taona 2024, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Resin-dry zareo teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ny Malagasy, omaly alahady, nandritra ny fiadiana ny tapakila Olympika, notanterahina tao amin’ny kianja Harare Sport Club. Niondrika tamin’ny isa mazava, 26 no ho 10, nanoloana an-dry zalahy mpampiantrano ny Malagasy. Lesoka ho an’ny Makis, ny haben’ny vatana. Tombony ho an-dry zareo Zimbabwe ny filalaovana teo amin’ny kianjany ary koa ny halehiben’ireo mpilalao. Nanahirana an-dry Lahatra sy ny namany ny nanakana azy ireo.
Tsy mbola afa-bela ihany koa ny Makis, teo amin’ny fiadian-toerana, fa mbola lavon’i Burkina Faso, tamin’ny isa 24 no ho 19.
Tapitra hatreo izany ny dingana amin’iny ho an’ny Makis de Madagascar. Raha tsiahivina tsara fanombohana ny Makis, tamin’ity fihaonana ity. Nandresy an’i Tunisie, 43 no ho 5 teo amin’ny andro voalohany, fifanintsanana isam-bondrona. Lalao natao ny sabotsy lasa teo. Nampiondrika an’i Côte d’Ivoire, 40 no ho 5 indray nandritra ny fihaonana faharoa saingy resin’ny Springboks Afrika Atsimo, tamin’ny isa 35 no ho 14 teo amin’ny lalao fahatelo. Nametraka ny Makis, ho amin’ny toerana faharoa tao amin’ny vondrona nisy azy.
Mbola mpifanandrina manahirana ny Makis, aloha hatramin’izao i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe ary i Kenya. Efa manangasanga any kosa ireo firenena hafa ary manomboka manozongozona an’i Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: