Tsipy kanetibe – «Mondial 2023»: tsy hita tao anaty lisitra ny Malagasy

Nifarana omaly alahady 17 septambra tany Benin, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy “senior” lehilahy. Tsy tao anaty lisitry ny firenena nandray anjara i Mada­ga­sikara. Voalaza fa noho ny fahataran’ny fisoratana anarana ny anton’izany. Efa tamin’ny volana avrily ny fandefasana ny anaran’ireo hiatrika izany. Noho ny sazy napetraky ny federasiona iraisam-pirenena, tsy afaka nanatanteraka izany ny Federasiona sport boule Malagasy (FSBM), raha ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra.
Raha tsiahivina, ny vokatra teo amin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ity. Nisalotra ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana mitifitra indray ilay frantsay, i Dylan Rocher rehefa nandresy ilay mpilalao avy any Thailande, i Ratchata Khamdee, tamin’ny isa 46 no ho 28. Marihina fa, nahintsan’ny ekipan’ity firenena aziatiaka ity tamin’ny isa 13 no ho 11 teo amin’ny manasa-dalana kosa ry zareo frantsay, teo amin’ny lalao ho an’olon-telo miaraka.

Tompondaka

Partager sur: