Taorian’ny fanairana nataon’ny firaisamonim-pirenena Rohy, teny Ambatonakanga, ny alatsinainy lasa teo. Nilaza ny heviny, Velontsara Paul Bert, solombavambahoaka voafidy tao Port-bergé, omaly. Nambaran’ity solombavambahoaka IRD ity fa efa mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Rehefa tsy vonona ny handray ny toerana maha filohan’ny Repoblika mpisolo-toerana azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, afaka mandray ny andraikitra ny governemanta ifarimbonana.
Aminy, tokony ny fifidianana no hifantohan’ny tsirairay satria ara-dalàna ny fitondrana ankehitriny. “Miantso ny fitoniana avy amin’ny vahoaka malagasy rehetra aho. Ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra no hirariantsika amin’izao fotoana izao”, hoy i Velontsara Paul Bert.
Tsiahivina fa ny 14 sy ny 18 septambra lasa teo, nitaky ny tokony hiverenan’ny HCC amin’ny fanapahan-keviny ny firaisamonim-pirenena Rohy
Fitia