Famokarana anaty rano : jerena ny paikady hampivoarana ny toekarena manga

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Vondrona Afrikanina ny famolavolana paikady hampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga, ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara.

Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny “Agenda 2063” eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Fandahara­nasa mifantoka amin’ny fanomezana asa, amin’ny alalan’ny harena anaty rano, sy hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Sampan-draharaha iray eo anivon’ny Vondrona Afrika­nina ny “Bureau Interafricain des ressources animales (AU-IBAR) hijerena ny paikady ha­molavolana ny tetikasa, hampivoarana ny toekarena man­ga amin’ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana anaty rano. Anisan’izany i Madaga­sikara. Tetikasa iray ao anatin’ny AU-IBAR kosa ny “fish gov 2”, hanatanterahana ny paikady voalaza etsy ambony. Tanjona ny hampamokarana ny atirano ho anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasi­kara. Araka izany, hiara-hiasa amin’ny firenena ao amin’ny Vondrona Afrikanina ny Nosy malagasy, hanatrarana ireo paikady fampiroboroboana ny sehatry ny jono.

Fankatoavana
Natao teny Andrainarivo, nandritra ny roa andro, ny ala­tsinainy sy ny talata teo, ny atrikasa fankatoavana ny vokatry ny fanadihadiana nandraisana ny hevitr’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana anaty rano eto amin’ ny ny firenena. Voa­fidy hanatanterahana ireo paikady ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Ma­da­gasikara. Tsapa rahateo fa miakatra ny taham-pamokarana sy ny fihinana hazandrano manerana ny Nosy. Ankehi­triny, mahatratra 7kg isan’olona, isan-taona, ny taham-pihinanana trondro, raha 4,26kg izany teo aloha.

Henintsoa Hani

Partager sur: