“First Global Challenge”: Tanora malagasy miisa 5 ho any Singapour

Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny haitao kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Raza­fin­dramalo Tahina, omaly, ny ekipa malagasy tanora handray anjara amin’ny fifaninanana “First Global Challenge”, ny 7 hatramin’ny 10 oktobra ho avy izao. Fifaninanana iraisam-pirenena, andiany fahafito, miompana amin’ny fikarohana siantifika sy ny teknolojia niomerika. Miisa dimy ny tanora malagasy mpianatra mandrafitra ity ekipa ity, ahitana an’i Gloria (kapiteny), Emrick (kapiteny mpanampy), samy 17 taona, Harena (tomponandraikitry ny serasera), 16 taona, Tsaroana (designer), 17 taona, Manasoa (lafiny me­kanika) ary Leticia (programmeur), 18 taona.
Lohahevitra amin’ity taona ity « ny lanjan’ny singa simika hydrozena amin’ny angovo azo avaozina ho an’ny planeta ». Manampy ny fifaninanana robotika, famoronana, mi­isa 14 ny lohahevitra efa ni­fantohan’ireo tanora an’arivony, ahitana ekipa miisa 14, na­nomboka ny volana jolay teo. Fotoana nampisehoan’ny tsirairay ny traikefany, mikaroka vahaolana siantifika, tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) ho an’ny planeta.
Niantohan’ny minisitera MNDPT ny saram-pisoratana anaran’ireo tanora ireo ary hojerena ihany koa ny fanampiana azon’ny fanjakana atao ho azy ireo.

Njaka A.

Partager sur: