Tsy mbola voatendry hatramin’izao izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fanohizana ireo lalao iraisam-pirenena manaraka. Mifamahofaho be ny resaka saingy heno fa mety ho ny Me Rôrô ihany no hotazomin’ny FMF.
Tsy manana mpanazatra ny Barea de Madagascar amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy fanendrena nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny amin’izay handimby an-dRakotondrabe Romuald Felix (Rôrô). Heno, araka ny fanadihadiana natao, fa tsy mieritreritra ny hitady olona hafa ireo komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona fa mbola vonona hanohy ny fifanarahana vaovao aminy.
Samy resy lahatra avokoa ireo mpikambana rehetra fa izy aloha hatramin’izao no hany nahitana vokatra tsara teo amin’ny fitondrana ny Barea de Madagascar. Noho izany, tsy misy antony tokony hanoloana azy, araka ny fanambarana nivoaka avy ao amin’ny federasiona malagasy, hatrany.
Raha tsiahivina, fahombiazana hatrany ny lalao nataon’ny Barea tamin’ny nitondran’ny Me Rôrô azy. Nandrombaka ny medaly alimo, tamin’ny “Chan 2022”, natao tany Algerie. Nahazo ny medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara ny 24 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra lasa teo. Ny ady sahala tamin’i Ghana sy i Angola teo amin’ireo ambin-dalao roa ho an’ny “Can 2024”.
Tsy ny federasiona ihany no manaiky ny vokatra tsara vitan’ny Me Rôrô fa na ireo mpiray miombon’antoka sy mpitondra fanjakana ary indrindra ireo mpankafy baolina kitra.
Na eo aza izany, mbola miandry ny fivoriamben’ny komity mpanatanteraka hanapaka sy hankatoa indray ny mbola hitondran-dRakotondrabe Romuald Felix, ny Barea. Eo koa ny pitsopitsony ny amin’ny karamany sy ny hafa. Tsiahivina fa ny fifanintsanana ho an’ny “Chan 2024” ny “Mondial 2026”, ny dingana manaraka miandry ny Barea de Madagascar.
Tompondaka