“Tokony hipetraka amin’ny toerany ny firaisamonina sivily, amin’ny fakana sy fanomezana hevitra ary mijanona ao anatin’ny maha fikambanana azy”, hoy ny loholona Ramanambitana Richard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy tokony hiditra amin’ny tontolo politika ny firaisamonina sivily amin’izany, ka lasa mitarika savorovoro sy fanakorontanana eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Didy tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Tsy azo iadian-kevitra intsony izany, ka hoe samy miezaka manome izay dikany araka ny fahazoany azy ny rehetra.
Antso avo no ataony amin’ny vahoaka malagasy tsy ho voarebireby amin’ny fanakorontanana isan-karazany, izay aely amin’izao tsy hisian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tokony hanana toe-tsaina miabo na hijery ny lafitsaran-javatra hatrany ny rehetra hahazoana miatrika izay fifidianana izay.
R. Nd.