Noraisin’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, i Sisa Ngomba, ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy Ankorondrano ireo kandidà miisa 11. Nampanantena sy nanome toky ny masoivoho fa hampita amin’ny governemanta Afrikanina Tatsimo ny vontoatin’ izao fihaonana teo amin’izy ireo izao. “Tena manan-danja sy maika izao dinika izao… Manana rafitra misahana ny lafiny fiarovana sy ny fandriampahalemana ny Sadc. Mikatsaka hatrany amin’ny fanampiana ireo firenena mpikambana, indrindra amin’ny fiatrehana ny fifidianana tahaka izao”, hoy ihany ny ambasadaoro. Notsiahiviny fa mitarika sady filohan’ny eo anivon’ ny Sadc amin’izao fotoana izao ny filohan’i Zambia, Hakainde Hichilema, ka hampitaina aminy izao ahiahin’ny kandidà miisa 11 izao.
Voaresaka tamin’izao fihaonana izao ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny momba ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny nentin’ireo kandidà teo ambony latabatra nampitaina amin’ny ambasadaoro ny momba ny voalazan’ny Lalàmpanorenana manodidina ny famindram-pahefana, miaraka amin’ny voalazan’ny And-46. Eo koa ny nitanisan’ izy ireo ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny zotram-pifidianana. Notsindrin’izy ireo koa fa vonona ny hiroso amin’ny fifidianana ireo kandidà 11. Takin’izy ireo kosa anefa ny hizoran’izany araka ny rariny. Anisan’izany ny famelana azy ireo malalaka haneho hevitra…
Synèse R.