Misitraka ny fandaharanasan’ny Fiba Afrika, eo amin’ny lafiny fampiofanana ny tanora mpanao basikety sangany eto Afrika, i Madagasikara. Mpilalao 4 mianadahy sy mpanazatra 2 no miatrika izany amin’ity volana ity.
Nanomboka omaly 20 septambra, any Bamako Mali, ny fiofanana « Camp de basket-ball d’élites ». Malagasy 3 lahy no solontenan’i Madagasikara, miatrika izany any an-toerana. Anisan’izany Andrianantenaina Jean Felix, mpanazatra ny Lucadro, izay nanambara fa fivoahana iraisam-pirenena voalohany ity fiofanana ity. Miara-dalana aminy, ny mpilalao roa lahy, i Arimanana Clive Adriano (MFB BBCM Menabe) sy Rasetriarivony Harinosy A’Ranty (JCBA Analamanga). Fiofanana hampandrosoana ny taranja basikety eto amin’ny kontinanta Afrika, karakarain’ny Fikambanan’ny federasiona afrikanin’ny basikety ity fandaharan’asa ity. Natao indrindra hanatsarana ny lentan’ny tanora afrikanina mpilalao basikety. Nahazo anjara tamin’izany i Madagasikara, ka ankoatra io fiofanana any Mali, natokana ho an’ny sokajy lehilahy, io mbola hisy koa ny natokana ho an’ny sokajy vehivavy. Any Kigali Rwanda no hatao ny fiofanana ho an’ny vehivavy, ny 26 hatramin’ny 28 septambra izao. Minoharisoa Christiane Jaofera, mpanazatra ny BCF Atsimo Andrefana, miaraka amin’ireo mpilalao roa vavy, Rakotomanana Theodora Voahangy Estelle (Ascut Atsinanana) sy Rasolofonjanahary Mbola Sahaza (Asa Analamanga) no hisolotena an’i Madagasikara amin’izany.
Tsiahivina, mpilalao 45 isaky ny « Camp » avy amin’ny firenena 15 no miara-miatrika ny fiofanana. Lehilahy 15 sy vehivavy 15 kosa ny isan’ny mpanazatra. Manam-pahaizana maro no hifampizara traikefa mandritra izany fotoana izany, toa an’i Astou N’Diaye, masoivohon’ny NBA Afrika, i Cheick Sarr, mpampiofana eo anivon’ny Fiba ary Olumidea Oyedeji, kalaza eo anivon’ny NBA.
Tsy vao izao no hiatrika fampiofanana avolenta toy izao ny Malagasy mpilalao sy mpanazatra. Efa nisy maromaro natrehin’i Madagasikara tamin’ity taona ity sy ny taona 2022.
Mi.Raz