Fandaharanasa manampy ny tanora ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eny ambanivohitra nandritra ny 10 taona ny Formaprod. Betsaka ny tombontsoa azo, manana asa mendrika sy fidiram-bola maharitra ny ankamaroan’ireo nisitraka fiofanana.
Mandray anjara betsaka amin’ny fampiofanana ara-pamokarana ny tanora ho lasa mpamokatra matihanina eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny fampananan’asa ny “Formation professionnelle et d’amélioration de la production agricole (Formaprod)”. Miompana amin’ny fampiofanana ireo tanora nilaozan’ny fianarana ny tetikasa, vatsian’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida). Manodidina ny 195 000 tanora, avy amina faritra 14 manerana ny Nosy, no nisitraka ny fandaharanasa, nandritra ny 10 taona. Nahazo fampiofanana momba ny fambolena sy fiompiana ary ny famokarana ireo tanora ahafahany manodina ny seha-pihariana ho an’ ny velon-tenany. Ankoatra izay, nahazo kojakoja enti-manodina ny famokarany sy famatsiam-bola avy amin’ny banky ireo mpiofana, tamin’ny alalan’ ny fandaharanasa. Teknisianina sy tantsaha maro ihany koa nisitraka tombontsoa avy amin’ny Formaprod. Teknisianina ambony momba ny fambolena maherin’ny 780 nisitraka fampiofanana, tantsaha mpamokatra manodidina ny 28 700 isa nanamafy ny fahaiza-manaony ara-teknika. Ankehitriny, manana asa mendrika sy manana fidiram-bola maharitra ny ankamaroan’ireo tanora nahazo fiofanana.
Vina
Natao afakomaly, teny Ambohidratrimo ny famaranana ny Formaprod ho an’ny faritra Analamanga, hanaraka izany koa ireo any amin’ny faritra samihafa niasan’ny fandaharanasa. Efa manomana tetikasa hafa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ahafahana manohy ny fiarahan-dalana amin’ny tanora, ho fanatsarana ny asa famokarana eo amin’ny tontolo ambanivohitra. Mbola hotohan’ny Fida hatrany io tetikasa io ary hiompana betsaka amin’ny fanohanana ny tanora handraharaha eny amin’ ny tontolo ambanivohitra.
Henintsoa Hani