Fiatrehana ny fifidianana: hampiantso ireo kandidà ny Ceni

Hiverina hihaona sy hampiantso ireo kandidà na ny so­lontenany, miaraka amin’ireo mpiantsehatra hafa momba ny fifidianana, toy ny fiarahamonim-pirenena indray ny Ceni, ny zoma izao. Hanaovana tombana ny vita fa eo koa ny fampahafantarana ireo fepetra samihafa, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalaza­ray Ando, teny Alarobia. “Aiza ho aiza isika izao amin’ny hiatrehana ny fifidianana ? Misy koa ny fepetra sy lalàna tokony ho fantatra”, hoy izy. Nota­ni­sainy amin’izany ohatra ny momba ny fandikan-dalàna ka mety mampihintsana an-daharana ny kandidà iray.
Etsy andaniny, nambarany fa zon’ireo kandidà koa ny tsy tonga miatrika ny fihaonana, tahaka ny niseho ny alatsinainy teo. Solontena roa avy amin’ ny kandidà mpifaninana miisa 13 ihany no tonga teny Alaro­bia tamin’io fotoana io. Na izany aza, notsindriny fa afaka mandefa solontena ireo kandidà hatrany amin’ny ambaratongan-drafitry ny Ceni. “Ananan’izy ireo zo tanteraka izany”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: