Notanterahina omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe, ny andro fahatelo, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara. Maka fandresena iray sisa, tafita amin’ny dingana manaraka ny JSA Ihorombe. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, izy ireo sy ny AS Jet Bongolava. Manana isa fito ity klioban’Ihorombe izay mifaninana any Antsirabe ity, amin’izao fotoana.
Tsiahivina fa resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny klioba avy any Atsimo Andrefana, teo amin’ny andro voalohany, ny zoma 15 septambra lasa teo. Roa andro taorian’io, ny alahady 17 septambra, lavon’ny JSA, 2 no ho 0, ny AS JFC Atsimo Andrefana.
Ankoatra izay, nahoraka ny fandresen’ ny FC Zoya Boeny, tany Mahajanga, nandritra ity andro fahatelo ity. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 5 no ho 1, ny AS3A Amoron’i Mania. Marihina fa ekipa roa isam-bondrona ihany no manao ny “Poule des As” amin’ity fifanintsanana ity. Klioba roa ihany avy eo no hiakatra ao amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, taom-pilalaovana 2023-2024.
Fitia
Ireo voka-dalao omaly :
* Mahajanga :
AS3A Amoron’i Mania (1) – (5) FC ZOYA Boeny
3FB Alaotra Mangoro (0) – (0) ESPOIR Betsiboka
TGBC Atsinanana (1) – (3) KFCA Diana
* Antsirabe :
AS JFC Atsimo Andrefana 0 – 2 FC Inate Vakinankatra
FC JM Androy 4 – 0 GJFT Atsimo Andrefana
JSA Level Ihorombe (2) – (2) AS Jet Bongolava